Bokin' ny olon-kendry

Ny bokin' ny olon-kendry na bokim-pahendrena, ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana, izay mirakitra lahatsoratra miendrika tononkalo, tonon-kira, ohabolana ahitana fotokevitra misy fisainana lalina momba ny fiainan' ny zanak' olombelona, ny fifandraisany amin' Andriamanitra, dia ireto: ny Bokin' i Jôba, ny Bokin' ny Salamo, ny Bokin' ny Ohabolana, ny Bokin' ny Mpitoriteny (na Kôhelety), ary ny Tononkira Fanaperana (na Tononkiran' i Sôlômôna na Tononkira dia Tononkira). Ny Baiboly Katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa dia ahitana boky fanampiny deoterôkanônika: ny Fahendrena sy ny Ekleziastika (na Siràka).

Ny boky ataon' ny Kristiana hoe bokim-pahedrena dia tafiditra ao amin' ny ataon' ny Jiosy hoe Ketuvim ("Soratra"), nefa tsy ny "Soratra" rehetra no ataon' ny Kristiana hoe "bokim-pahendrena", satria ny Ketuvim dia ahitana koa boky ara-tantara (Bokin' i Estera, Bokin' i Rota, Boky voalohan' ny Tantara ary Boky faharoan' ny Tantara) ary bokin' ny mpaminany (Bokin' i Ezra sy Bokin' i Nehemia ary ny Bokin' i Daniela) koa.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search